Psalms 55

Fitarainana nataon’ izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida.

1

2Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako. 3Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho, 4Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy. 5Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana. 6Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro. 7Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako; 8Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. [Sela.] 9Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. 10Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. 11Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy; 12Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny. 13Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; 14Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, 15Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra. 16Aoka hanampoka azy ny fahafatesana
Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana.
. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany
Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin’ ny firaketany, dia ao am-pony.
.
17Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy. 18Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy, 19Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko. 20Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, [Sela.] ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra. 21Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy. 22Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. 23Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. 24Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
Copyright information for Mg1865